Fankalazana ao Paris

Submitted by: hery
On: 31/05/2009
In: Vaovao

Ny Fiangonana Katolika Malagasy eto Paris sy Ile de France (FKMP), dia ny alahady 14 jona 2009 no hankalaza ny fanandratana an'ny Frera Raphaël-Louis RAFIRINGA ho Olontsambatra. Ny Sorona Masina dia ho tarihan'i Mompera Edmond RAKOTONDRAMANANA, ary entanin'ireo Maintimolalin-dry Frera (Fianakaviambe Lasaliana). Ny fotoana dia hanomboka amin'ny 4 ora tolak'andro ao amin'ny Chapelle Saint Paul  171, Boulevard Brune  75 014 Paris

Métro : Porte d'Orléans. Koa manasa antsika rehetra e.