Momba ny fankalazana ao Italia

Submitted by: hery
On: 19/05/2009
In: Vaovao

Ny andro hanaovana ny fankalazana ny Olontsambatra Raphael-Louis Rafiringa eto Italia dia ny 14 jiona 2009. Ny toerana anaovana izany dia ao amin'ny Fratelli delle Scuole Cristiane via Aurelia 476, Roma.

Toa izao ny fandaharana amin'izany:

Amin'ny 3 ora tolakandro dia hisy ny fampisehoana mikasika ny Olontsambatra vaovao. Antsoina ho tonga ny rehetra mba hijery izany fampisehoana izany.

Aorian'izay, amin'ny 6 ora hariva dia hisy ny lamesa goavana izay hotarihan'i Monsenera Angelo Amato, izay mpiandraiki-draharaha momba ny fananganana ho olomasina. Hiaraka aminy amin'zany ihany koa ireo Nonces niandraikitra an'i Madagasikara teo aloha dia S. Ecc. Mons. Francisco Blasco Collaço sy S. Ecc. Mons. Agostino Marchetto.

Iangaviana ho tonga amin'io ny Malagasy rehetra, pretra, relijiozy ary laika.

Noho ny fandaminana dia iangaviana isika izay ho tonga mba hisoratra anarana hahafantarana ny isan'ny tena ho avy:
Tsindrio eto hisoratra anarana

Jereo eto ny toerana


Visualizzazione ingrandita della mappa

Misaotra