Tantaram-piainany

Ny lahatsoratra lava mirakitra ny tantaram-piainany dia azonao alaina eto

 

Ireto avy ny daty azo lazaina fa tena tokony ho fantatra amin'ny fiainan'ny Frera Raphaël Louis Rafiringa.  

1856 : Teraka i Rakotofiringa dia natao hoe Firinga satria zanaka tsy mpino ka nolazaina ho teraka Alakaosy izy. Izany hoe manana vitan-dratsy hono. Dia notaizaina mpimasy sy mpanandro izy.

1868 : 12 taona i Firinga ary sondriana nahita Frera telo lahy voalohany.

1869 : Nanomboka nijery litorjia katolika izy, niditra nianatra tao amin'ny sekoly Md Josefa Mahamasina, ary natao batemy. Io taona io no naha Rafiringa Raphaël azy. Dia niakatra nianatra tany Andohalo izy (Md Josefa). 16 avrily

1876 : nangataka ho raisina mpiofana ho Frera tao Andohalo ihany. Marsa

1876 : nandray akanjon'ny Frera izy, teo amin'ny 22 taonany.

1883 : izy no Malagasy nisantatra voalohany ny poezia malagasy tao an-dRova. 

1883-1895 : Lehibe dia Filohan'ny fiangonana katolika malagasy izy.

10 febroary 1889 : nanao lahateny nampitolagaga ny Mpanjaka sy ny Praiministra tao an-dRova.

1897 : Talen'ny sekoly "Sainte Anne" faravohitra izy.

1902 : Voatendry ho isan'ny mpikambana tao amin'ny Akademia Malagasy izy. 24 desambra

1915 : Natao an-tranomaizina, noendrikendrehana ho filohan'ny V.V.S. izy.

1917 : nalefa niala sasatra tany Fianarantsoa izy, ary ny 19 mey 1919 dia tany ihany izy no nody any amin'ny Ray. 63 taona izy tamin'izay. 7 jona

1933 : natao famadihana tao Fianarantsoa ary nentina tany Antananarivo ny taolambalony. Fahagagana : TSY RAVA ny tenan'ny razana ary dia natsangana nalaina sary.

Sabotsy 10 jona 1933 : Nanangana malemy tao Antsirabe ny Razana.

Alahady 1 jona 1933 : Nasitrika tao Anjanahary ny Razana ka olona 12.000 no nanatrika.

1944 : Nafindra ho ao Soavimbahoaka ny Razana TSY RAVA.  Dia fahagagana tokoa ireo rehetra ireo raha tsiahivina ny tontolo niaingan'ny Frera Rafiringa sy nisy ny fianakaviany : tontolon'ny haizina, ny finoanoam-poana, ny sampy, ny sikidy, ny mpimasy, ny mpanandro, ny fitaka, ny lainga, ny fahabadoana, ny fivavahana sadasada, ny fomban-drazana fahagola... Eny tontolo tsy mbola nandray ny andon'ny vaovao Mahafaly.
 

Nangonin'i Jeannot R.
Madagascar Tribune du 11/06/04